Heni-kaja, heni-boninahitra i Madagasikara mampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby ho an’ny vehivavy. Tsy mitsanga-menatra ny taranjan’Ambalambahoaka fa notronin’ireo oloben’ny firenena sy ny avy any ivelany.
Niarahan’ny rehetra nahita, ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka fa tonga nanome voninahitra ny Malagasy Rugby, tamin’ny fampiantranoana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby ho an’ny vehivavy “Women’s cup 1st division” ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny minisitry ny Fanatanjahantena, ny filohan’ny Komity olympika Malagasy (KOM), ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ary ireo minisitra “coach” sy olo-manan-kaja sivily sy miaramila ary indrindra ireo avy amin’ny iraisam-pirenena, notarihin’ny filohan’ny vaomieran’ny Rugby Afrique, i Adama Bakhoum sy ny tale jeneraly, i Azzouz Aib.
Midika izany fa ara-dalàna ny fisian’ny federasiona malagasy ary eken’ny rehetra. Nanamarina sady nidera ny fikarakarana rahateo i Adama Bakhoum fa heni-kaja heni-boninahitra i Madagasikara. Mbola nohamafisiny ny fankatoavan’ny Rugby Afrique ny fahalanian-dRakotomalala Marcel, hitondra ny Malagasy Rugby, ho an’ny taom-piasana manaraka, ary efa nahazo ny “certificat de conformité”, avy amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena malagasy.
Nitsefotra ny fikasana hanao fifidianana
Etsy ankilany, mbola mikiry ihany ireo ligim-paritra sasany hanao fifidianana ho filohan’ny federasiona, ny sabotsy lasa teo. Nandamoka izany satria tsy nipoitra ny solontenan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena. “Tsy fampandrosoana fa fanakorontanana ny tena tanjon’izy ireo, ka miezaka hanao izay hahafa-baraka ka hahavoasazy ny rugby malagasy”, hoy Rakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Mampalahelo fa ny tanjon’ny rehetra efa mitodika any amin’izay hahatafita amin’ny “Mondial”, ny an-dry zareo misintona ilay taranja hidina indray, araka ny nambarany hatrany.
Tompondaka