Ny an’ny miaramila mbola tsy vita ny fanadihadiana, manao ny ataony koa ny polisy! Nivoraka mihitsy ny tsinain’ilay rafilahiny vokatry ny tsatok’antsy nataona polisy iray, tao Maroantsetra…
Olombelona ihany sa tsy ampy fanadihadiana ara-moraly mialoha ? Naratra mafy ny raim-pianakaviana iray vokatry ny tsatok’antsy nataona polisy iray azy teo amin’ny kibony, tao amin’ ny fokontany Ankiakalava II, distrikan’i Maroantsetra, ny alahady alina tamin’ny 10 ora. Araka ny loharanom-baovao, efa nisaraka tamin’ny vadiny ity raim-pianakaviana niharam-boina voalaza fa mpampianatra ity. Nanambady polisy ilay ramatoa vadiny saingy mbola tonga mijery sy manome fanampiana ny zanany ihany ilay raim-pianakaviana. Tamin’io fotoana io, tonga hanatitra vola ho an-janany izy satria handeha vao maraina hampianatra any ambanivohitra lavitra ao anatin’ny distrikan’i Maroantsetra ihany. Nandondona izy, kanjo efa nandrasan’ilay polisy tamin’ny antsy. Vao nisokatra ny trano, tsindron’antsy avy hatrany no niantefa teo amin’ny kibony. Loharanom-baovao iray hafa kosa nilaza fa niantso azy nangataka vola ny renin-janany tamin’io alahady io. Nentim-pahatsorana tsy nahalala na inona na inona tokoa ilay rangahy ka tonga hanatitra vola. Nandrasan’ilay polisy teo antokotany anefa izy ka nolerany tamin’ny antsy ny kibony.
Tazonina ao amin’ny biraon’ny zandary ilay polisy…
Torana tsy nahatsiaro tena ity raim-pianakaviana ity noho ny ratra mafy nahazo azy. Nivoraka ny tsinainy tamin’ny fotoana nitondrana azy nihazo ny hopitaliben’i Maroantsetra. Nozairina izany satria tratran’ny dian’antsy. Nohamafisin’ny loharanom-baovao fa niniana nafenina ity raharaha ity saingy ireo tomponandraiki-panjakana ao an-toerana no nandresy lahatra ireo lehibe isan’ambaratongany eo anivon’ny polisy sy ny zandary mba hilaza ny marina rehetra. Nosamborina avy hatrany ity polisy nahavanon-doza ity ka tazonina ao amin’ny biraon’ny zandary ao Maroantsetra hohadihadiana. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana savaranonando nataon’ny zandary.
Anisan’ny manome endrika ratsy ny fianakaviamben’ny mpitandro filaminana ny tahaka izao. Ohatra ny teny Avaradoha, miara-mihosim-potaka amin’ny hadalan’ny hafa ny rehetra. Tokony hijerena indray ny fanamafisana ny fitsipika ara-moraly mifehy ny asan’izy ireo hialana amin’ny trangan-javatra toy izao.
Sajo