Bianco – Toamasina: ben’ny tanàna roa teo aloha nohadihadiana

Nanao ranolava, mivoaka miditra ny biraon’ny Bianco, tao anatin’ny telo herinandro izao, ireo mpiasa maromaro eo anivon’ny kaominina Toa­masina. Anton’izany ny fanahiana ny firongatry ny kolikoly sy ny fanaovana hosoka ao amin’ny fiadidiana ny Tanàna.

Anisan’ny efa voaantso teny anivon’ ity sampandraharaha mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly ity ny ben’ny Tanàna roa lahy teo aloha sy ny filohan’ny delegasiona manokana (PDS) ho an’ny kaominin’i Toamasina iray. Niampy ben’ny Tanàna lefitra miisa roa izany. Votoa­tin’ny fanenjehana sy nanaovan’ny Bianco fanadihadiana ny fiahiahiana kolikoly sy hosoka tamin’ny fivarotana tany sy tranon’ny kaominina.

Andaniny, tsiahivina fa nahazoan’ny ben’ny Tanàna teo aloha iray fankatoavan’ny filankevitry ny Tanàna, ny trano sy ny tanin’ny kaominina hanaovana famotorana izany. Efa nahazoany ny fankatoavana tamin’ny “contrôle de legalité” teo anivon’ny prefektiora izany. Mbola nosoniavin’ny PDS, nomem-pahefana tamin’izany fotoana.

Etsy ankilany, miady ity tany ity satria manana “Etat de vente” nosoniavin’ny ben’ny tananaa iray hafa ny ben’ny Tanàna lefitra voalohany sy mpiasa iray eo anivon’ny kaominina. Nahazoana alalana tamin’ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanàna, ihany koa izany.

Vokany, lasa ifandrohitana ny raharaha, ary mivadika ho ahiahy amin’ny mety ho fisiana kolikoly avo lenta. Mifa­mahofaho ny raharaha, andrasana izay ho tohiny.

Sajo sy Synèse R.

Partager sur: