Fivoriana nikaton-trano teny Tsimbazaza : Niadian-kevitra ny tetibola ho an’ny depiote

Tsy nisy nipika ny resaka taorian’ny fihaonana nikaton-trano tamin’ny depiote nandinihana ny tetibola ho azy ireo? “Voaantso taty amin’ny Ante­nimierampirenena ny tenako. Resaka mikaton-trano no anton’ ny niantsoana ahy. Manaja ny rafitra demokratika aho: tonga amim-panajana aho rehefa ampiantsoana”, hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabanirinarison Rindra Hasimbelo, tamin’ny mpanao gazety teny Tsimba­zaza, omaly. Nambaran’ny minisitra fa hatramin’izay ka hatramin’izao, tsy mbola na­nana olana izy: tonga tamin’ny fampiantsoana rehetra teny amin’ny Antenimierampire­ne­na. Nefa mikaton-trano ny resaka: tsara raha ireo nampiantso no hilaza ny andinindininy ny zavatra noresahina. Nohazavainy koa fa matoa ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola no nampiantsoan’izy ireo tamin’ny resaka mikaton-trano, momba ny tetibolan’izy ireo ny adihevitra. Efa nentina teny anivon’ny fi­lankevitry ny minisitra avokoa ny ankamaroan’ireo zavatra nangatahin’ny depiote. Rehe­fa tsy tafavoaka tamin’izany, nanambara izay fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra izay fotsiny izy.
Raha ny fantatra, araka ny loharanom-baovao iray: ny karaman’ireo mpiara-miasa amin’ny depiote no olana. Nefa voasoratra ao anatin’ny fitsipika anatiny mifehy ny Ante­nimierampirenena ny amin’izay. Raha tsy ampiharina ny fitsipika anatiny, tsy afa-mipetraka sy tsy afa-miasa, araka ny tokony ho izy, ny filohan’ny Antenimierampirenena sy ny birao maharitra ary ny solombavambahoaka tsirairay avy. Hanao ahoana? Ho hita eo…

R. Nd.

Partager sur: