Filoha Rajoelina Andry : nahavita be ny fitondrana !

Niara-nanamarika ny faha-100 taona ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi), Fianarantsoa, ny filoha Rajoelina Andry, niaraka tamin’ireo fianakaviamben’ny Foloalindahy, omaly. Nasongadiny tamin’ny lahateniny tamin’izany ny ezaka vitan’ny fitondrana.

Mivahiny any Fiana­ran­tsoa nanomboka omaly, mitohy anio ny delegasiona tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Nitarika ny lanonana fanamarihana ny faha-100 taonan’ny Sekoly miaramilam-pirenena na ny Semipi izy. Nohamafisiny nandritra ny lahateny nataony fa : “Tsy nisy fotodrafitrasa betsaka ohatran’izao tamin’ireo fitondrana nifandimby ary nanakoako maneran-tany izany». Nanitrikitrika izy fa miasa ny fitondrana.
Niaiky ihany koa ny tenany fa mbola maro ny tsy an’ asa sy ny mahantra eto amin’ny firenena. Nametraka fa­namby izy amin’ny fahavononany hanala ny vahoaka ao anatin’ny fahantrana. “Tsy vita indray andro izany. Ilaina ny fanarenana ny firenena sy ny hanavotana ny vahoaka”, hoy izy.
Notsiahiviny ny nahazoany ilay amboara mahakasika ny fananganana foto-drafitrasa, fifaninanana nokarakara­in’ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana. Na­to­lotra afakomaly, ny loka tamin’izany saingy nisafidy ny namangy an’i Fia­na­ran­tsoa sy nankalaza ny faha-100 taonan’ny Semipi izy. So­lon­tena no naka ny loka tany Egypta.
Notsiahiviny fa betsaka ny fotodrafitrasa napetraka ao Fianarantsoa. Anisan’izany ny biraom-paritry ny polisy.
Hahazo ordinatera
Nitokana ny biraom-po­kon­tany ao Ambatolahi­kosoa ny filoha taorin’ny lanonana teny amin’ny Semipi. Nam­bara fa homena fitaovana avokoa ny fokontany rehetra. An­isan’izany ny “Digitalisation”, amin’ny alalan’ny karne an­tsoina hoe “I-fokontany”, ahitana famantarana manokana. “Tsy hisy intsony ny karne sandoka fa hanara-penitra. Ho avy ny fanampiana sy ny asa atao ka hahafantarana izany ity karne ity. Hahazo izany avokoa ny mponina eny anivon’ny fokontany”, hoy izy. 3 000 ka hatramin’ny 5 000 Ar ny sandan’ izany karne izany ary natokana hanaovana asa soa sy fanatsarana ny fokontany ny vola azo amin’izany. Nampanantena ordinatera ho an’ireo fokontany rehetra any an-toerana ny tenany.
Ankoatra izay, nisy ny fi­tokanana ny biraom-paritry ny minisiteran’ny Asa. Ny ha­merenena ny zotra an-dalamby. Hitohy amin’ny fitokanana ny trano mora, anio izany.
Etsy andaniny, nisitraka «Ambulance”, ny any Ikala­ma­vony, Isandra, Fia­na­ran­tsoa, Ambalavao, Ambo­hi­ma­hasoa. Nahazo moto ny ben’ny Tanàna rehetra any Ma­tsiatra Ambony. Nambaran’ny filoha fa tsy misy kaominina ho hadino intsony.

Fitsipika, tsy fivadihana, fahitsiana…
Nitodika tamin’ireo miaramila kelin’ny Semipi ny filoha avy eo. Nambarany fa nandray anjara tamin’ny fampianarana sy ny fampiofanana ireo tanora ao anatin’ny soatoavina fototra ny Semipi. Nanteriny ny herim-po hanatratra tanjona manoloana ny fahasarotana. Eo koa ny fitsipi-pifehezana sy ny tsy fivadihana amin’ny teny nomena, amin’ny atao, amin’ireo manome toromarika anareo. “Mijanona ho mahitsy amin’ ny hevitra marina hoan’ny tanindrazana. Ilaina ny fahaizana mandrindra, mandamina”, hoy ny filoha. Ho lasa lavitra ny firenena raha ohatry ny mpianatra eto amin’ny Semipi ny rehetra, ao anatin’ ny fitsipika.
Miavaka amin’ny lafiny akademika sy teknika ary amin’ny etika ny fanofanana azy ireo. Reharehantsika, reharehan’ny Foloalindahy ny Semipi. Manakoako manerana an’i Afrika ny lazany sy ny fahaizany mamolavola ny miaramila mijoro, marisika, mahafatra-po ho fiarovana ny tanindrazana, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: