Tsy fifanomezan-kasina sy lonilony mbola mitoetra ? Vitsy ny depiote manatrika ny tatitr’ireo minisitra isan-tokony, mifandimby eny amin’ny Antenimiera, Tsimbazaza. Tsy hita popoka hatramin’ny mpanohana ny fitondrana.
Miisa 4, 10, 18 na mihoatra kely ireo depiote hany manaraka ny tatitra ataon’ireo minisitra, nanomboka, afakomaly. Miisa 48 ireo betsaka indrindra tamin’ny fanoloran’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny tatitry ny asa vita, ny alarobia teo. “Pejy iray sy tapany ny tatitra momba ny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahalemana nefa izao ny tranga iainan’ny vahoaka andavanandro. Milamina ary tsy misy olana ve izany ny tsy fandriampahalemana eto ?”, hoy ny sasany amin’izy ireo. Nohitsin’ny depiote “Del kely” tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”, omaly, fa anisan’ny anton’izany ny tsy famelana ireo depiote hametraka fanontaniana, tokony hataon’izy ireo, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. “Nampalaina ny depiote izany… Ireo voalaza ho depiote maherin’ny 100 mbola manohana izao fitondrana izao aza tsy hita nanjavonana”, hoy izy. Nanteriny fa nodinganina ny voalazan’ny Lalàmpanorenana ny amin’ny tokony hirosoana amin’ny fanontaniana aorian’ny tatitra. Voafafan’ny tsangan-tanana ny lalàna ambony ka voatery hatao amin’ny fifanatrehana manaraka, eo amin’ny governemanta sy ireo depiote ny fametraham-panontaniana.
Tokony haka lesona ny governemanta
Nihaino fotsiny ireo depiote hany tonga miatrika ny tatitra ataon’ireo minisitra, noho ny tsy fahafahan’izy ireo mametraka fanontaniana. “Tsy mahaliana ny tatitra sy ny fomba fanaovan’ireo minisitra izany. Mivoaka miditra koa ireo depiote na mitabataba na tsy mifantoka amin’ny tatitra. Tokony hakan’ny governemanta lesona ny tahaka izao…”, hoy ihany ireo depiote. Notsiahivin’ny depiote “Del kely” fa ifandrombahan’ireo depiote ny praiminisitra rehefa tonga eny Tsimbazaza na rehefa handao ny lapa taloha. Tsy mahaliana ny depiote ny fomba fiasa tahaka izao, araka ny nambarany.
Ho tonga hatraiza izao tsy fifankahazoana na tsy fifanomezan-kasina eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna izao ?
Synèse R.