Mikendry lavitra ny haha tsara kokoa ny tanindrazana. Anisan’ireo antoko manome vahana ny tanora ny eo anivon’ny Malagasy miara-miainga. Resy lahatra amin’izany ka niditra ho mpikambana ny volana febroary teo i Yamila, na vao 21 taona monja aza. Liana amin’ny resaka politika efa hatry ny fahakeliny izy, araka ny nambarany. «Niditra ho mpikambana ato amin’ny antoko MMM aho. Tiako sy naharesy lahatra ahy ny foto-kevitra ijoroan-dry zareo : ny “Démocratie-centriste” io. Nalaina avy amin’ny “Démocratie-chrétienne”, izany”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy mba hitany tany
amin’ireo antoko politika hafa eto aminsika, nokasainy hidirana izany foto-kevitra izany. “Tena mba maniry aho ny hanova zavatra eto amin’ity firenentsika ity», hoy ihany izy.
Hevitra vaovao amin’ny maha tanora
Nanteriny fa anisan’ny ahafahany mitondra izany anjara birikiny izany, indrindra ho amin’ny fanovana ny firenena ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana sy ny fidirana amin’ny fiainana politika. Notsindriny fa anisan’ny ahatongavany amin’izany ny ambaratonga na ny andraikitra misy azy eo anivon’ny Tanora (TMMM) amin’izao fotoana izao.
Afaka mitondra hevitra vaovao amin’ny maha tanora ahy. “Te hitondra ny feon’ ireo sahirana sy mijaly amin’ny fiainana ihany koa aho. Na koa ireo manodidina ahy», hoy izy.
Synèse R.




