Kianjan’ny 13 mey : voasakana ny hetsika, iray voasambotry ny Emmo/Reg…

Nitsapa ny halalin’ny rano ? Tsy tanteraka ny hetsika nokasain’ny vadin’i Malama, Rakoto Samuel Doris tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, Analakely, omaly. Niafara tamin’ny fisamborana izany.

Tsy nampihemotra ny vadin’i Mahery Lanto Manandafy (Malama), Rakoto Samuel Doris ny sakantsakana nataon’ny Emmo/Reg, niatrana vao maraina tetsy Analakely sy ny manodidina. Niroso ta­min’ny fitarihana olona teny an-toerana ny tenany sy ireo mpanara-dia azy. Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny mpitarika sy ireo avy amin’ny mpitandro filaminana. Voasambotra tamin’izany ny mpikambana eo anivon’ny Gasy Leo, Raherimam­pi­anina Nambinina.

Nialohavan’ny fitakian’ ny lehibe mpitarika ny Emmo/Reg ny fahazoan-dalana amin’izao famoriana vahoaka izao ny mpitarika saingy tsy nisy anefa izany. “Tonga eto izahay amin’ny maha olom-pirenena anay. Manana zo haneho hevitra sy hanao fanambarana ny hanokafana ity kianja ity, hanehoan’ny vahoaka hevitra. Tsy azo ekena ny fanampenam-bava sy ny didy jadona… Tsy hiady aminareo izahay”, hoy Rakoto Samuel Doris.
Niala moramora ireo mpitarika sy mpanara-dia…
Nazava kosa ny valin-kafatra sy ny teny hentitra avy amin’ny Emmo/Reg fa tokony hiparitaka rehefa tsy nahazo alalana. “Voatery izahay handray fepetra momba anao raha tsy miala eto ianareo… “, hoy ny mpitandro filaminana. Niroso tamin’ny fisamborana ilay mpiara-dia amin’ny vadin’i Malama izy ireo, taorian’ izany.
Nikisaka moramora niala teo an-toerana kosa ny mpitarika tamin’ny 11 ora ary nasaina nandeha ireo mpanara-dia azy mba hiparitaka. Tsy nosamborina noho izany ny vadin’i Malama ary tsy niseho koa ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaso, tamin’izao hetsika izao. Nilamina ny teny Analakely sy ny manodidina taorian’ izany. Na izany aza, voahelingelina ihany ny sasany amin’ireo mpivarotra teny an-toerana.

Synèse R.

Partager sur: