Ramamimampionona Gérard : “Tsy misy antony hidirana amin’ny fitondrana Tetezamita”

Hatramin’izao, mbola mahabe adihevitra ny fidirana na tsia amin’ny fitondrana Tetezamita. Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard: “Misy fitondrana ara-dalàna eo fa hanao fifanarahana fotsiny izao hoe miditra Tetezamita noho ny anton-javatra tena tsy ahafaha-manoatra na zava-mitranga tena sarotra be. Inona no tena anton-javatra amin’izao fotoana izao hifanarahana hidirana amin’izany?” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny amin’ny hoe fidirana amin’ny fitondrana Tetezamita?

Ramamimampionona Gérard (-): Zava-dehibe ny hoe samy mieritreritra sy mitady izay lalana mba hahazoan’ny firenena miaina amim-pilaminana. Raha ny amin’ny hoe Tetezamita, mivoaka amin’ny ara-dalàna izany. Misy fitondrana ara-dalàna eo fa hanao fifanarahana fotsiny izao hoe miditra Tetezamita noho ny anton-javatra tena tsy ahafaha-manoatra na zava-mitranga tena sarotra be. Inona no tena anton-javatra amin’izao fotoana izao hifanarahana hidirana amin’izany?

Raha ny toe-tsaina sy lalan-tsaina fanaovana politika amin’izao, sarotra be ny hoe hifanaraka ireo mpanao politika. Inona àry ny anton-java-misy hoe tsy azo vahana raha tsy amin’izany? Inona no mety mampatahotra amin’ny hoavy ary inona no hatao hisorohana azy tsy hidirana amin’ny Tetezamita? Satria misy pitsopitson-javatra mavesatra be na ho an’ny fanjakana na ny vahoaka na eo anatre­han’izao tontolo izao izany.
* Inona no hatao?

– Izay Tetezamita izay ihany ve no vahaolana eto amin’ny firenena ny amin’izany? Nefa misy tsy mahamety azy avokoa izay atao rehetra, raha ny fije­rin’ny mpanao politika. Na fikaonandoha io, na fifidianana, na Tetezamita… Hifanaraka ahoana moa? Izay ilay toe-tsaina amin’ny fomba fanaovana politika eto amintsika: tena mitodika any amin’ny fiainam-bahoaka tokoa ve? Ny manahirana eto amin’ny firenena dia ny politika, ny toe-tsaina fanaovana politika, ny mpanao politika…
Ny politika, ohatra, mitondra ho amin’ny filaminana, nefa ny antsika mitady hitondra ho amin’ny fisarahana. Politika diso izany. Amin’ny Malagasy, raiamandreny manam-panahy ny mpanao politika, mahalala tsara ny fiarahamonina misy azy. Koa mampiombona sy mampiray ary mandamina ny politika amin’ny Malagasy, nefa mampiady sy mampisaraka ary manakorontana ny atao amin’izao. Politika diso izany. Mampanan-karena sy mampandroso ny vahoaka ny politika, nefa ny antsika mampahantra sy mampihemotra. Diso koa izany. Efa taona maro izay…

* Inona no hatao amin’ izany?

– Na Tetezamita no hatao, na fikaonandoha, na fifidianana… Mialoha izany, mila tena jerena ny politika sy ny toe-tsaina manao politika ary ny fomba fanaovana politika eto amin’ny firenena. Olon-dehibe avokoa ny mpanao politika. Zava-dehibe ny fahatsapan-tena. Raha misy olona dimy na enina fotsiny, ohatra, no miresaka, rehefa tena mitoetra tsara amin’ny maha raiamandreny sy mpanao politika: milamina ny firenena, fa tsy hoe tsy maintsy fikaonandoha be no atao. Zava-dehibe ny fifehezan-tena sy ny fifampifehezana.
Miezaka avokoa ny rehetra mitondra ny anjara birikiny. Misy, ohatra, ny ataon’ny FFKM, fa ny sasany tsy manaiky. Mijoro ny FFKM amin’ny maha fahazavana, fanasina, mpitory fahamarinana azy izy amin’ny maha mpaminany… Mahatonga fisalasalana ho an’ny sasany ny fifanaovana ankolafiny hoe tsy kristianina, ohatra, na tsy ao anatin’ny fiangonana efatra lehibe… Samia mandray ny anjara birikiny, fa ataovy amim-pahamarinana mba hitokisan’ny rehetra .

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: