Tratra ny tanjona ho an’ny Sampandraraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana (USAID), mikasika ny famatsiana rano fisotro madio. Nahatratra 700.000 ny olona nahazo rano fisotro madio tany amin’ny kaominina miisa 250, nanomboka ny taona 2017, tao anatin’ny tetikasa USAID « Rural access to new opportunities in water santation and hygiene (Rano Wash) ». Natao ny 25 mey teo ny lanonana famaranana ity tetikasa ity, namatsiana vola 30 tapitrisa dolara. Nilaza ny minisitry ny Rano, Ravokatra Fidiniavo, fa nampivelatra ny fahaiza-manaon’ny teknisian’ny rano ny fikajiana ny tombam-bola sy ny fidiram-bola avy amin’ny sandan-drano. Sady nanatsara ny toeram-pidiovana maro.
Nanamafy ny tale jeneralin’ny USAID eto Madagasikara, i Anne N. Williams, fa mpirahalahy mianala miara-miombon’antoka amin’i Madagasikara i Etazonia. Izany dia entina hiantohana ny fisitrahana rano madio sy ny fahadiovana. Nahatratra 86 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola amerikanina ho an’ny fahasalamana, ny taona 2021.
Sajo sy Njaka A.




