“Tena ilaina ny fifampidinihana, indrindra amin’izao akaiky fifidianana izao”, hoy ny filohan’ny Madagasikara ho an’ny Malagasy (MHM), Andriamiarisoa Daniel, momba ireo antoko politika folo nampanantsoin’ny Friedrich Ebert Stiftung (FES) miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina nanao fifanarahana fitsipi-pitondran-tena.
Mampanahy ny mety hisian’ny korontana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Na ny lalàm-pifidianana aza: hovaina sa hajanona amin’izao? Tsy voatery hovaina, fa mila mifampiresaka. Raha hanao fifanarahana politika, tsara raha ny ankabeazan’ny antoko no hasaina. Samy manana ny etikany ny antoko, ka tokony hiara-midinika ny hatao. Mety misy kajikajy hafahafa ao ambadika na aorian’ny fifanarahan’ny antoko vitsivitsy ka tsy azo ekena. Ampy hahazoana mandinika ve ny antoko folo? Efa mahatratra 300 mahery ny eto. Ahoana koa ny vahiny no manao dinika ny hanasoavana ny firenena sy ny hahasoa ny Malagasy? “Tsy afa-mifampidinika ve isika?”, hoy ihany izy.
Noho izany, manainga ny antoko politika hafa rehetra izy: sao tokony hifanatona sy hifampidinika? Satria ny firenen-kafa indray no mandray andraikitra sy mitady hanapaka eto amin’ny firenena. Amin’ny maha raiamandreny ara-panahy ny FFKM, efa elabe no tokony ho nataon-dry zareo ny fifampidinihana. Tsy misy vaventy sy madinika ny antoko amin’ny fandinihana ny fiainam-pirenena.
R. Nd.




