Fitsipi-pitondran-tena: hanao sonia fifanarahana ireo mpanao politika

Tsy hikombona ary mbola hisy fihaonana manaraka. Nambaran’ny loharanom-baovao iray ary nohamafisin’ireo mpanao politika fa tsy misy idiran’ny Tetezamita sy lalàm-pifidianana ilay sata ho an’ny fitsipi-pitondran-tena, iarahana amin’ny FES.

Hosoniavina ny 20 jona ny fifanarahana, saingy ialohavan’ny fakan-kevitra hatramin’ny 16 jona izany. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny HVM, Rasambany Alain, anisan’ny niatrika ny fihaonana fa natao hamoahana rinjan-teny iraisan’ny antoko rehetra hanajana ny lalàna amin’ny fizotry ny fifidianana ilay dinika “Dialogue multipartite”, nikaton-trano, tetsy Anka­difotsy, afakomaly. “Hapetraka anatin’ny sata ny etika sy ny fitsipi-pitondran-tenan’ny mpanao politika ahafahana miatrika ny fifidianana. Tsy misy idiran’ny resaka Tetezamita voizina amin’izao fotoana izao izany. Hevi-diso izany”, hoy izy. Nohitsiny koa fa tsy mifandray amin’ny resaka lalàm-pifidianana koa izany na niaiky aza ny tenany fa betsaka ny lesoka tokony hahitsy. Nanteriny fa dingana ihany izao ho tohin’ny fihaonana nataon’ireo antoko politika, roa volana lasa izay, ary tafiditra amin’ny fanatsarana ny zotram-pifidianana sy ireo fepetra momba ny fikarakarana izany.

Antoko politika ara-dalàna

Tsy hijanona amin’ireo antoko miisa 10 ireo ihany anefa izany fa mbola hivelatra amin’ireo antoko politika voasoratra ara-dalàna eny amin’ny minisiteran’ny Ati­tany, araka ny loharanom-baovao. Tsy mbola natao sonia ihany koa. Hakana hevitra sy hosoniavina mba haneken’ny rehetra ny voka-pifidianana eo…. “Mila ma­naja ny fepetra amin’ny maha mpanao politika ny rehetra handaminantsika ny firenena”, hoy ny avy amin’ny HVM.
Tsiahivina fa tsy azo natrehin’ny mpanao gazety ny fihaonana. Anisan’ny na­hatonga solontena tamin’izany ny avy amin’ny TGV, Tim, MMM, HVM, MTS, Leader Fanilo, Avi, Arema, PSD ary ny RDS. Teo koa ny avy amin’ny HCC sy ny eo anivon’ny Ceni, raha namatsy vola kosa ny Vondrona eoropeanina (UE).

Synèse R.

Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny “Fifanarahana ho an’ ny fitsipi-pitondran-tenan’ny mpanao politika” ny hanekena ny zotram-pifidianana demokratika sy eken’ny rehetra. Tsy hohelingelenina na hosakanana ny fanatanterahana izany manerana ny Nosy. Ny fitovian-jo ho amin’ny kandidà amin’ny haino aman-jery na amin’ny fanaovana hetsika eny an-kianja sy ny fepetra iraisana momba izany. Ny hanajana ny fihavanana sy ny fifanajana, ny fanekena ny fahasamihafana sy ny fanajana ny maha olona. Ny zon’ny tsirairay any anaty adihevitra sy ny fanehoan-kevitra amin’ny fifidianana. Ny fanekena ny tsy hampiasana ny fivavahana sy toerana manan-tantara amin’ny propagandy. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy fampidirana ny Soratra masina, anaty teny fanevan’ny kandidà, noho ny maha laika ny fankjakana. Tsy azo ekena ny fanaovana herisetra sy ramatahora ary fanakorontanana ny saim-bahoaka. Mihatra amin’ireo antoko politika sy kandidà hanao sonia izany izao fifanarahana izao.

Partager sur: