Vondrona Panorama: “Mila jerena ny lalàm-pifidianana”

“Misy andininy maromaro tao anatin’ny lalàm-pifidianana no nesorina. Tsy nifampierana tamin’ny fahefana mpanao lalàna izany. Tsy asan’ny HCC ny manao lalàna. Nefa nataony izany tamin’ny 2018. Tokony hojerena izany ny lalàm-pifidianana.” Izay ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny Vondrona Pano­rama, ny filoha nasionalin’ny MFM, Rakotovazaha Oli­vier.
Mila jerena ny lalàm-pifidianana, satria tamin’ny fom­ba tsy ara-dalàna no nanaovana azy. Nefa manamarina sy tsy maharototra ny governemanta ny fisian’izay. Satria io lalàm-pifidianana amin’izao io no niakaran-dry zareo eo amin’ny fitondrana. Tsy lalàna vita sy nolanian’ny parlemantera tamin’ny fotoan’androny, fony izy loholona, izay misy sy ampiasaina amin’izao fotoana izao, fa namboarina sy nahitsin’ny HCC araka ny fieritreretany azy, raha ny nambarany.

Ny tamin’ny 2018 ihany no hiverina…

“Nahazoan-dry zareo eo amin’ny fitondrana tombony sy nandresy tamin’ny fifidianana io lalàm-pifidianana amin’izao io, ka lazainy hoe tsy misy antony hanovana azy”, hoy izy. Raha izany, fandrombahana fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana no hatao. Tena fanahy iniana fotsiny izao ny fitazonana lalàm-pifidianana, efa nampikaikaika ny olona nanomboka 2018. Efa roa taona mahery no efa nitakin’ny firaisamonina sivily sy ny antoko politika an’izay. Ny tamin’ny 2018 ihany no hiverina, raha ny mety ho fiantraikan’izay: ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana, ny fisian’ny anarana miverimberina amin’izany… Izay no hiseho eo. “Nandroso kitay tsy nirehitra izahay, ka afaka adidy amin’ny fatana”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: