Kitra – Can 2022: tsy anaty lisitra i Rayan sy Lapoussin ary Amada

Nivoaka omaly, ny lisitry ny Barea de Madagascar, hiatrika ny fihaonana amin’i Ghana, amin’ity fifanintsanana hanaovana ny “Can Côte d’Ivoire 2023” ity. Lalao hotanterahina, ny 18 jona ho avy izao, etsy Mahamasina.

Miisa 27 mirahalahy ireo mpilalao nan­tsoina handrafitra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny fihaonana amin’i Ghana, ny 18 jona izao, etsy Maha­ma­sina. Araka ny lisitra navoakan-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, omaly, 13 ireo mila ravinahitra ary 14 ny avy eto an-toerana. Naverina tao anatin’izany i Romain Metanire, vodilaharana Barea ankavanana, mandritra ity lalao roa farany amin’ny fifanintsanana “Can Côte d’Ivoire 2023” ity.
Ankoatra izay, tsy voantso i Ibrahim Amada, kapiteny sy Raveloson Rayan ary i Loic Lapoussin, irakiraka Barea. Raha ny fanazavan’i Coach Rôrô, hiteraka ny vadin’i Rayan Raveloson ka tsy afaka manatrika ny lalao hihaonana amin’i Ghana ny tenany. Handeha hiala sasatra kely i Lapoussin, noho ireo lalao maro efa vitany tao amin’ny RS Saint Gilloise Belzika. Raha ny fanazavana nataon’ ny mpanazatra Barea, taraiky kely ny fifampiresahana taminy, saingy vonona foana izy, hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny volana septambra. “Efa manatrika fanazarantena miaraka amin’ny Barea i Amada, saingy tsy mbola ao anatin’ilay hoe tena fahaizany ny lehilahy noho ny ratra sy ny tsy fahampian’ny lalao”, hoy i Rôrô, raha nilaza ny vaovaon’i Amada.
Marihina fa tsy afaka manatrika io lalao io, i Marco Ilaimaharitra satria mbola manaraka fitsaboana ny tenany ankehitriny ary efa betsaka ireo lalao tsy natrehany. Tsara ny mampahafantatra fa miisa roa, ireo mpilalao vaovao, i Toky avy ao amin’ny klioba Cosfa sy i Mahavy, vodilaharana Mama FC.

Fitia (Mpianatra asa)

Ireo 27 lahy handrafitra ny Barea A

Mpiandry harato :
Rakotohasimbola Nina (Elgeco Plus), Melvin Adrien (Thonon Evian), Rakotovazaha Allan (Cergy Pontoise)

Vodilaharana :
Ro­­main Metanire, Randrianiai­na Tantely (Disciples FC), Mahavy Tiana Randrianarisoa (Mama FC), Dorian Bertrand (FC Arges), Ramanjary Théo­din (Sainte Suzane), Tantely Avotriniaina Rabarijaona na i Dadafara (CFFA), Razafin­draibe Rajo na i Berajo ( Jet Kintana FC), Rakotonirina Jean Martin (Elgeco Plus), Ando Manoelantsoa na i Ando Pro (ST Pierroise), Fabien Boyer (St Pierroise).

Hirakiraka :
Rakotoarisoa Baggio (Jeanne d’Arc), Andrianarimanana Aro­­­ha­­sina na i Dax (Fosa Jr), Rafanomezantsoa Lalaina (CFFA), Tendry Mataniah Randrianarijaona ( Disciples FC), Razafindranaivo Koloina na Rakool (MC Alger), Rako­toha­rimalala Njiva, Randrian­tsiferana Tokinantenaina na i Tsiry (Fosa Jr), Randriambo­lol­o­na Zotsara.

Lohalaharana :
Razafindrakoto Jean Yves (Fosa Jr), Razafimaro Feno­hasina (Ajesaia), Rakoton­drai­be Toky (Cosfa), Hakim Abdal­lah (Re Virton), Andrianante­naina Angelo (AS Excelsior).

Partager sur: