Efa manaraka ny fanazarantena farany, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, daholo ireo 15 mirahalahy mandrafitra ny Ankoay U-19. Manomana ny fiatrehana ny amboara eran-tany, Mondial basikety, hatao any Hongria, ny 24 jona hatramin’ny 2 jolay 2023, izy ireo, izay efa tena vonona tokoa. Nanatrika izany, omaly, ny minisitry ny Toe-karena sy ny fitantanambola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, nanolotra fanampiana avy amin’ ny filoha Rajoelina sy avy amin’ny tenany manokana. Reny mpiahy ny Ankoay rahateo izy.
Hanamafy ny fanazarantenany izy ireo any Serbia, ka hianga eto Madagasikara, ny 13 jona ho avy izao, mialoha ny hahatongavana any Hongria.
Samy nisaotra ny minisitra ny solontenan’ny federasiona, ny kapiteny ary ny mpanazatra amin’izao fanampiana izao. Nentanina ny mpilalao haka tahaka ireo zoky izay vao nahazo fandresena, ny alakamisy teo, tany Aotrisy. Sady mba hanana toe-tsaina mpitarika, toa ny minisitry ny Toe-karena, vao nahazo loka farany teo.
Fitia sy Nj A.