“World Cup 3×3” – Coach Deda: nitaky tanjaka be ny lalao rehetra

Nifarana hatreo ny lalan’ny Ankoay, tao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety 3×3, tany Vienne Autriche. Laharana fahefatra i Madagasikara tao amin’ny vondrona nisy azy, rehefa naharesy an’i Frantsa, 21 no ho 20. Mitondra ny fomba fjeriny ny Mpanazatra Randrianarivelo Jean de Dieu (Deda).

*Gazety Taratra : Nanao ahoana ny niatrehana iny fiadiana ny amboara eran-tany, fandraisana anjara voalohan’ny Ankoay iny ?

-Randrianarivelo Jean de Dieu : Tao anatin’ ny vondrona mafy be izahay ka sahirana niditra tamin’ny fifaninanana. Avy hatrany dia ny tompondaka eran-tany no niatombohana. Niezaka nanamafy herin-tsaina sy nandalina ireo mpifanandrina foana anefa ka nihatsara ary iny mba nahazo fandresena iny ny farany.

*Inona ny lesoka ho an’ny ekipa malagasy ?

-Resin’ny mpifanandrina teo amin’ny traikefa ny ekipa malagasy. Tena mafy be daholo ny mpilalao mandray anjara ary vidiana lafo ny fahadisoana kely vita. Mitaky tanjaka be ihany koa ny lalao rehetra, izay lesoka hita tamin’ny mpilalao malagasy.

*Inona ny fanatsarana sy fanitsiana natao ka nanatsara ny lalao natrehina?

-Niezaka niaina sy nahay nionona tamin’ny fomba fitsarana izahay. Nanamafy ihany koa ny  vitesse d’exécution, ny endurence ary indrindra ny fifantohana. Nampitomboana ny tanjaka teo amin’ny fanoherana (Défense).

*Inona ny soso-kevitra hoentinao hahazoana vokatra tsara amin’ny lalao iraisam-pirenena ?

-Traikefa no ilaina rehefa hiatrika lalao iraisam-pirenena goavana toy izao. Tsy azo anefa izany traikefa izany raha tsy miatrika lalao maro sy mifanandrina amin’ny ekipa avo lenta. Hita mihitsy ny fahabangan’izay traikefa rehefa mifandona amin’ireo ekipa kalaza. Ireto farany izay tena efa hita fa voky traikefa tokoa.
Misaotra ny Malagasy rehetra eto Madagasikara sy eran’izao tontolo izao nanohana anay. Hery lehibe ho an’ny Ankoay ny fanohanana nataonareo, indrindra ihany koa ireo Malagasy tonga taty Vienne Autriche nanome fankaherezana anay.

Mi.Raz

Partager sur: