AREMA : notsarovana ny Accord de coopération

Notsarovan’ny Arema teny Faravohitra, omaly, ny 4 jona 1973. Nanaovana sonia ny Accord de coopération na ilay hoe fiaraha-miasa vaovao, nifanaovan’ny fitondrana ma­lagasy sy ny fanjakana frantsay. Nitarika izany ny sekretera nasionaly Ratsiraka Annick sy ireo avy amin’ny Comité directeur ary ny rantsamangaikan’ny antoko. Niadiana hevitra tamin’izany ny momba ny Fahaleovantena ary nalefa koa ny horonantsary mirakitra ny fanaovan-tsonia. “Efa eo am-pelatanantsika ny Faha­leo­vantena ary tsy azo kosehina ny sonia, saingy ny fampiasana azy no mila fanamboarana”, hoy ny sekretera nasionaly.
Tsiahivina fa nametraka ny tena Fahaleovantena io Accord de cooperation io ary izao ankalazaina isaky ny 26 jona izao. Nosoniavina ny 4 jona 1973 izany. Marobe ny fiovana naterak’ity fifanarahana ity ary nanomboka hita taratra izany fahaleovantena tena izy izany. Teo ny fialan’ny Tafika frantsay tany Diego sy ny faritra hafa. Ny fahafahantsika nanangana ny Banky Foibe, nisokatra ny 12 jona 1973, ary ny nananantsika vola manokana. Manampy izany ny fampidirana ny teny malagasy tao anatin’ny fampianarana, ny fanafoanana ny fampianarana mitanila. Vo­katry ny tolona, nataon’ireo tanora ny taona 1972 avokoa izany.

Synèse R.

Partager sur: