Nahitsy ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny tany Nosy Be, tamin’ny Mihava Tour tany an-toerana, ny sabotsy teo. “Matahotra antsika ny fitondrana matoa tsy mbola sahy mamoaka ny datim-pifidianana hatramin’izao”, hoy izy. Nanteriny hatrany fa ilaina ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana, manoloana ny vidin’ny Ylang ylang any an-toerana. Hamidy 500 Ar ny kg raha 6 000 Ar izany teo aloha. Zava-dehibe amin’ny fandaharanasa ny fijerena ny fiveloman’ny mponina, araka ny nambarany. “Aoka isika tsy ho voafitaka amin’ny fampanantenana poakaty rehefa tsy mampihatra ny fitsinjaram-pahefana”, hoy ihany izy.
Hentitra kosa ireo depiote tamin’ny lahateniny fa tsy maintsy vaky ny barazy rehefa tsy faly ny vahoaka… “Nahoana ny fiara nitatitra vahoaka sakanana nefa mitaona ny TGV tsy hanaovanareo antsonjay. Mila fanovana ny vahoaka”, hoy ny depiote Rabenirina Jean Jacques.
Tsiahivina fa miisa 13 ireo depiote niara-dia, tamin’izao Mihava Tour tany Nosy Be, izao.
Synèse R.




