Nihaona teny Ivandry ny filoha lefitry ny ceni sy ny masoivohon’ny japoney ary ny solontena monina ao amin’ny masoivoho iraisam-pirenena japoney (jica), ny zoma lasa teo. Nahazo fiofanana momba ny fitantanana ny fifidianana, mandritra ny iray volana any Japon i Madagasikara. Ny filoha lefitry ny ceni, Razafimamonjy Laza Rabary no hiatrika izany. Tanjona ny hanampiana ny firenena demokratika mba hampangarahara sy hampadio ny voka-pifidianana.
Hiompana amin’ny fahaiza-mitantana sy ny fangaraharahan’ny fifidianana ny atrikasa, raha ny fanazavana. Anisan’ny lohahevitra hodinihana ny fisoratan’anarana, fandatsaham-bato, fanisana, fitantanana ny voka-pifidianana…
Endrika fiaraha-miasa eo amin’ny firenena malagasy sy ny governemanta japoney ny hetsika, raha ny fanazavana. Mba hizaran’izy ireo ny fahaiza-manao sy ny traikefa azo ampiharina amin’ny fanatontosana ny fifidianana. Mahatratra 11 ireo mpandray anjara, solontena manerana an’izao tontolo izao. Niainga teto Madagasikara hamonjy an’i Japon, ny filoha lefitry ny Ceni, taorian’ny fihaonana. Hanomboka ny 7 hatramin’ny 24 jiona izao kosa ny fiofanana.
Mino (mpianatra asa)




