Otrikafo: “Tsy antoko folo no hanome lesona eto”

“Efa misy fanerena ankolaka sahady izany hizorantsika mankany amin’ny fifidianana. Na hanekentsika ny fepetra rehetra hizorana mankany amin’ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny antoko Otrikafo, Elia Rabevahiny, momba ny sata fitsipi-pitondran-tena namorian’ny FES miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina ny antoko politika folo teny Ankadifotsy, ny herinandro teo.
Fifampiresahana aloha no tokony hatao vao hirosoana ny fifidianana. Raha ny amin’ny hoe sata fitsipi-pitondran-tena: maninona no antoko politika folo no nantsoina ? Mbola hisy antoko hafa hantsoina hanaiky izany? Maha­tapaka izy ireo matoa nantsoina, tsy tokony hiandrasana ny hevitry ny hafa intsony. “Tsy miady sisika amin’izany izahay hoe maninona no tsy nantsoina?”, hoy izy.
Iza amin’ireo antoko folo ireo no tsy nandray anjara tamin’ny Tetezamita tamin’ny fanaovan-tsonia ny tondrozotra? Firy tamin’izy ireo no nanaja izany?. Matoa tafiditra anketerena toy izao ny firenena, anisan’ny tomponandraikitra ireo antoko ireo fa nifandimby nitantana. “Izy ireo indray no ndeha handresy lahatra sy hanome lesona ny mpiray tanindrazana amina sata fitsipi-pitondran-tena?”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: