Nampahatsiahy ireo mpitandro filaminana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc tao Mahajanga, fa mety ho nahazo fampanantenana tambiny sy galona ireo Emmo/Reg. Nanteriny anefa fa manana ankohonana sy fianakaviana mijaly sy sahirana koa izy ireo ka tokony handinika. “Aza atakalo tombontsoa kely tahaka izany ny fiainan’ny firenena sy ny fahafahana. Aoka hitandrina ary aoka ho fatantra ny lalàna. Tokony homena alalana sy afaka miteny ny rehetra, araka ny satan’ny ONU”, hoy izy. Nohitsiny fa mivonona ny handeha hatramin’ny farany ny tenany manoloana izao ambarany ho sakantsakana atao azy izao. Tsy avelantsika hijanona amin’izao intsony ity. Tsy maintsy sahy sy mijoro isika ary tsy ho foana akory ny fanantenana raha mbola misy ny farany, araka ny nambarany. Notanterahina tamin’ny tokontanin’ny FJKM any an-toerana izao kongresim-paritry ny Tim Boeny izao.
Tsiahivina fa nosakanan’ny Emmo/Reg ny tenany ny alakamisy teo, nialoha ny nidirana tao Mahajanga.
Synèse R.




