“Ny zava-misy eo amin’ny sehatra politika, ny fiainana sosialin’ny vahoaka, ny tsy fisian’ny fahatokisana intsony ao amin’ny vahoaka sy ireo andrimpanjakana sy ny sampandraharaham-panjakana misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana… Indray andro any, atahorana sao hipoaka ireo toe-javatra ireo mitambatra”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko UNDD, i Manoro Régis.
Tsy hoe hisy na hitranga avy hatrany izay fipoahana izay. “Tsy mpaminany akory aho”, hoy izy. Atahorana sao hipoaka ireo toe-javatra ireo, satria efa niainana teo aloha. Ho an’ny antoko UNDD, aleo misoroka toy izay mitsabo. Inona no azo entina hisorohana izany ? “Tomponandraikitra ny filohan’ny Repoblika. Tomponandraikitra ihany koa ny mpanao politika. Tomponandraikitra koa ny vahoaka”, hoy izy.
Tokony hitady hevitra, hanao izay azony hatao ary manana fahefana sy ny fahazoana manao an’izany ny filohan’ny Repoblika mba tsy hitrangan’izay fipoahana izay alohan’ny fifidianana.
R. Nd.




