Ambatofinandrahana : basy telo mahery vaika naverin’ny fokonolona

Natolotry ny fokonolona teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny basy mahery vaika miisa telo tao an-tanànan’i Soafianara, Manota, fokontany Ianako­na, kaominina Fenoarivo, distrikan’ Ambatofinandrahana, ny zoma 2 jona teo. Ho fisorohana ny tsy fandriam-pahalemana, nanao be midina ny zandary miisa valo, niampy miaramila 5 ao an-toerana. Nanao diabe nitety tanàna izy ireo. Nandritra izany, nanentana ireo olona eny ifotony, ta­min’ny alalan’ny fampiharana ny tagna­maron’ny fandriampahalemana izy ireo. Tonga tao amin’ny tanànan’i Soa­fianara, resy lahatra ny mponina ka nisy ireo namerina ny fitaovam-piadiana no­hazoniny nandritra ny taona maro. Basy telo no natolotry ny vahoka ny mpitandro filaminana. Anisan’ izany, ny basy mahery vaika MAS 36 sy ny basy “Simplex”, Calibre 16. Samy manana laharana avokoa ireto basy ireto. Basy vita gasy iray kosa no fahatelo. Nentina nihazo ny biraon’ ny zandary ao an-toerana ireo fitaovam-piadiana ireo. Mi­to­­hy ny fidinana ifotony ataon’ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: