Haharitra 24 volana ny fanamboarana ny tetikasa Flyover eny Anosizato entina hamahana ny olan’ny fifamoivoizana sy ny fitohanana eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny fanamboarana ny tetikasa Flyover eny Anosizato. Hetsika notarihin’ny ny Filohan’ny fanavaozana, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Haharitra 24 volana ny tetikasa entina hamahana ny olan’ny fifamoivoizana sy ny fitohanan’ny fiara eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Mitentina hatrany 128 miliara Ar ny tetikasa izay vatsian’ny Banky Arabo ho an’ ny fampandrosoana ny Toekarena aty Afrika (Badea). « Manodidina ny 25,2 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola ataon’ny Badea raha 2,8 tapitrisa dolara kosa ny anjaran’ny fanjakana malagasy », hoy ny filoha, tamin’ny lahateniny.
Hizara dingana maromaro ny fanatanterahana ny asa. Hisy ny fanamboarana tetezana roa vaovao eny an-toerana hanoloana ilay efa antitra sy tsy mahazaka ny fivezivezen’ny fiara. Ankoatra izay, hisy ny fanamboaran-dalana manodidina ny 1,8 km. Halalahana ny lalana manomboka eny Ankadimbahoaka hatreny amin’ny Maki mba hialana amin’ny fitohanana, hoy hatrany ny filoha.
Notokanana omaly ihany koa ny lalana mampitohy an’ Ambatobe sy Soamanandrariny ary Ambohimahitsy. Tanjona ny hanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana, hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny fitaterana entana, ary hanamaroana ny fifamoivoizana eny amin’ny manodidina. Namatsy vola ny tetikasa ny Tahirim-bola ho an’ny Fikojakojana ny Lalana (FER) nentina nanamboarana ny lalana mirefy 2,468 km.
Henintsoa




