Ambatomasina-Maroantsetra : nahazo birao ny sampandraharahan’ny jono

Notokanana ny sabotsy teo ny biraon’ny sampandraharahan’ny jono sy ny toekarena manga ao Ma­roan­tsetra. Tonga nanolotra izany tany an-toerana ny filoham-pirenena Rajoelina Andry mivady sy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Tsimanaoraty Ma­ha­tante Paubert niaraka tamin’ireo mpikamban’ny governemanta maro. Nato­lotra nandritra izay ihany koa ny sambo haingam-pandeha Argos 710 « Anten­dromaso V » izay hanara-maso ny jono sy hiaro ireo mpanjono ao an-toerana. Ankoatra izay, nisy ny fanolorana salotra vonjy aina sy ireo kojakoja miaraka aminy 200 isa. Ahitana efitra manokana ho an’ny mpanjono ity birao vaovao ity mba hahafahan’izy ireo mifanakalo hevitra sy hahafahan’ny tomponandraikitra mihaino azy ireo hanatsarana ny asany. Nahavelombolo ny mponina ny fahazoana fotodrafitrasa toy izao noho ny jono izay seha-pihariana iveloman’ny ankabeazan’ny tokantrano maro ao amin’ny faritra Analanjirofo. Fantatra fa amam-polony ireo fotodrafitrasa naorina ao amin’ny faritra izay iarahana amin’ny tetikasa SWIOFISH2, vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola.

Henintsoa H.

Partager sur: