“Fiara 185 vinavinaina hoe azo tamin’ny kolikoly, na fanodinkodinam-bolam-panjakana, na famotsiam-bola no halain’ny Arai amin’ny toeram-pitanana azy”. Io ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Rafitra famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), Rasoloharimanana Aimé, teny Imerimanjaka Ambohijanaka, tamin’ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny fanamarihana ny herintaona nijoroan’io rafitra iadiana amin’ny kolikoly io. Miampy 361 ny kaonty amin’ny banky sy 6 miliara Ar latsaka izay giazin’ny Arai izay amin’izao fotoana izao.
Misy 4×4 ireo fiara, fiarakely, sambo, izay amin’ny toeram-pitanana eto Antananarivo sy any Toamasina. Tsy voatery apetraka any amin’izany ireo entana nogiazina, fa manjary mandany vola. Tsy maintsy heverina ny vola lanian’ny fanjakana amin’izay fikajiana ireo nanana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Jerena izay hahazoana tombony. Hampidi-bola fa tsy handany vola ny fanjakana no atao. Misy fananana giazan’ny Arai apetrany amin’ny tompony ihany. Tsy azo hetsehina intsony amin’izany, fa mandi-dalàna ary heloka ny fikitihana azy. Mba kelikely ny sandan’ny fitanana azy amin’izany.
Fanodinkodinana no betsaka
“Fanodinkodinana volam-panjakana sy fananam-panjakana no tena betsaka. Izay no tena mahavery vola ny fanjakana”, hoy izy. Manana andraikitra manokana amin’ny famerenana amin’ny fanjakana ny harena azo amin’ny fanodinkodinana volam-panjakana sy fananam-panjakana ny Arai. Tsy hipetra-potsiny izy, fa hampiasa ny fahefana homen’ny lalàna azy hahazoan’ny fanjakana maka ny fananana nalaina ankeriny tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, araka ny fanazavany.
Ny tena mahafaly: nahavita izay dingana izay ny Arai, na vao herintaona aza. Tsy mahavita tena irery izy, fa tsy maintsy miara-miasa amin’
ireo rafitra rehetra iadiana amin’ny kolikoly. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana izay manampy, fa an’ny fanjakana ny ady amin’ny kolikoly. “Ahoana koa ny hamerenana ireo harena lasa any ivelany fa tsy ny eto an-toerana ihany?” , hoy izy. Izay no anisan’ny antom-pisian’ny Arai.
R. Nd.




