Delestazy : hiverina amin’ny laoniny ny herinaratra amin’ny zoma

Fahataran’ny famatsiana solika mavesatra noho ny tsy fahatomombanan’ny sambo mpitatitra. Fihenan’ny tohodrano hatramin’ny 30%, izay mampanano sarotra ny famokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano. Ireo no nambaran’ny tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Jirama, Rabarison Hery Tiana, fa antony mahatonga ny fahatapahan-jiro amin’izao. Notohizany fa miantoka ny ampahany betsaka amin’ny filàna herinaratra eto amin’ny tambajotra iraisan’ Antananarivo (RIA) (214 MW/415MW de puissance installée) ny tohodrano. Ni­antsona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny zoma hariva teo, ireo sambo mpitatitra solika mavesatra. Nihazo ny renivohira halina kosa ireo kamiaobe hitatitra izany. Vinavinaina hiverina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra manomboka ny alakamisy sy zoma izao taorian’ny fifampiresahan’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Andria­manampisoa Solo amin’ny fampitomboana ny isan’ireo kamiao mpitatitra solika ireo. Marihina fa mahatratra 240 MW ny filàna herinaratra ho an’ny RIA, izany hoe, ho an’Antananarivo sy ny manodidina, Antsirabe Ana­lavory sy Ampefy ary ny ilany andrefan’ny renivohitra. 40 MW amin’ireo 240 MW anefa ilay fahabangana amin’ny famokarana herinaratra ankehitriny. Tsiahivina fa niteraka fimenomenonan’ny mpanjifa ny fahatapahan-jiro lavareny nataon’ny orinasa Jirama. Tsy vitsy ireo fitaovana simba fa indrindra ny fihariana samihafa.

Henintsoa H.

Partager sur: