Nilatsaka ny fanapahan’ny any amin’ny fiketrahana Masina. Neken’ny Papa Fransoà ny fametraham-pialan’ny Monseigneur Odon Marie Arsène Razanakolona amin’ny fitantanana pastoraly ny Arsidiosezin’Antananarivo.
Notendren’ny any Vatikana avy hatrany hisolo ny toerany, ho Arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu. Evekan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao izy ary eo amin’ny faha-60 taonany. Nohamasinina ho pretra ny 7 septambra 1996 ny tenany ary voatendry ho eveka mpanampy eto amin’ny diosezin’Antananarivo, ny 25 marsa 2010. Voatendry ho evekan’Ambaondrazaka kosa ny 11 avrily 2015.
Etsy andaniny, tafapetraka efa roa taona lasa any Vatikana ny fangatahan’ny Mgr Razanakolona Odon hisotro ronono, teo amin’ny faha-75 taonany, araka ny Lalàmpanorenan’ny Ekar “Droit canonique”. Efa aty amin’ny faha-77 taonany izany vao neken’ny any Vatikana izany ka mbola nanohy ny fampandehanan-draharaha vonjimaika teo anivon’ny arsidiosezy izy nandritra izay roa taona izay. Nanditra ny 28 taona (2005 – 2023) no nitantanany ny arsidiosezin’Antananarivo.
Miandry ny fanapahan-kevitry ny eveka
Ankoatra izany, tsy mbola fantatra na ho mpikambana avy hatrany na tsia ho eo anivon’ireo filoham-piangonana efa-tonta mitarika ny FFKM ny Mgr Raoelison Jean De Dieu, hiara-kiasa amin’ny filohan’ny FJKM sy ny FLM ary ny EEM. “Raharaha anatin’ny fiangonana katolika manokana ny amin’ny ho mpikambana eo anivon’ny foibe FFKM. Tompon’ny fanapahan-kevitra momba izany ny eo anivon’ny Fivondronamben’ ny eveka (Fem)”, hoy ny loharanom-baovao eo anivon’ny fiangonana efa-tonta.
Tsiahivina fa nanana ny toerany hatrany teo amin’ny tantaram-pirenena sy ny sehatra politika, ankoatra ny fiombonan’ny fiangonana, ireo mpikambana rehetra nifandimby teo anivon’ny FFKM. Anisan’ny efa miandry ny ho solon’ny Mgr Razanakolona Odon izao ny fihaonambem-pirenena hokarakarain’ny FFKM, ny aogositra izao.
Synèse R.
Niditra tao amin’ny Seminera zandriny Ambohipo ny Mgr Raoelison Jean De Dieu ny taona 1981-1986. Niofana tany amin’ny distrika misioneran’Ambohitsoabe (1987-1988). Nanohy ny fianarana filozofia tao amin’ny seminera zokiny Antsirabe ny taona 1988-1991. Nianatra ny teolojia tao amin’ ny seminera zokiny ao Ambatoroka ny taona 1993-1996.
Nahazo ny mari-pahaizana “Licence” momba ny teolojia tao amin’ny Institut Catholique de Madagascar (UCM), ny taona 1998. Nanohy fianarana tany amin’ny Faculté théologique de Lugano (Suisse), ary nahazo ny “Doctorat en Théologie dogmatique” ny taona 2004 – 2008.
Efa vikera tao amin’ny Paroasin’ Ilanivato (1996-1998). Curé-n’ny distrikan’i Fenoarivo (1998-2000). Mpanabe tao amin’ny seminera zokiny, Manantenasoa, Antsirabe (2000 – 2003). Pretra “Fidei Donum” tao amin’ny Paroasin’i Lamoli-Urbino (Italie) ny taona 2003-2004. Nampianatra ny teolojia tao amin’ny seminera zokiny ao Faliarivo sady Secrétaire de coordination ho an’ny Fivondronamben’ny eveka (2008-2009). Efa talen’ny famoahana ny Gazety Lakroan’i Madagasikara (2010 – 2015).




