Niakatra eo anivon’ny fampanoavana ao Fianarantsoa, omaly hariva, ireo olona iray kamiaobe indray voasambotry ny polisy sy ny zandary tamin’ilay raharaha fitsaram-bahoaka nitranga tao Andranomaitso. Nanomboka tamin’ny 6 ora hariva no nandray ny antontan-taratasin’ireo voarohirohy avy amin’ny polisy ny fampanoavana raha mbola niandry kosa ny antontan-taratasy avy amin’ny zandary. Nitohy hatramin’ny omaly alina, ny fihainoan’ny fampanoavana ireo voarohirohy. Marihina fa efa nitondra fanazavana momba ny zava-misy tamin’ity raharaha fitsaram-bahoaka nahafatesana olona telo tao Lalazana Ambony, kaominina Soahindrana, distrikan’i Vohibato ity ny solontenan’ny fianakavian’i Dawily. Nambaran’ny fianakaviany nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tao Fianarantsoa fa, vonoan’ olona efa nomanina no natao tamin’ny havan’izy ireo. Niangavy ny fanjakana mba hisambotra ny depiote voafidy tao Vohibato, ny Kly Martin, izy ireo. Ity solombavambahoaka ity no tondroin’ny fianakaviana ho niray tsikombakomba sy nampaniraka ireo fokonolona tao Andranomaitso hanao fitsaram-bahoaka.
Voafitaka tanteraka ireo niharam-boina…
Voafitaky ny mpisoloky i Dawily fa hoe misy toerana misy vato ao Andoharanomaitso ka mety ho lasa miliaridera izy raha mahita io toerana io, raha ny fandresen-dahatra nataon’ireo mpisoloky, araka ny tatitra nampitain’ny fianakaviana hatrany. Tao anatin’ny fitaka no nasaina nandehanan’izy ireo hihazo an’Andoharanomaitso, Soamanakova Lalazana (toerana voatondro ho misy ilay kariera) ary natao harivariva. Nasain’ireo mpisoloky nitondra toaka sy jus anaovana fombafomba mba hahazoana ilay vato izy sy ireo mpiara-dia taminy tamin’io fotoana io. Efa maty paika tanteraka ny fampiomanana ireo fokonolona tao Andranomaitso hikoka (hiantsoantso) fa hoe misy mpangalatr’olona tonga ao an-tanàna. Nampita hafatra tany amin’ny Kly Martin amin’ny maha solombavahoaka azy ny lehiben’ny fokontany ao Andranomaitso ka ny baiko nomen’ity manamboninahitra ity dia ny hanaovana fitsaram-bahoaka azy ireo.
Jean Claude




