Hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey : arahin’ny fitsarana maso Rakoto Doris Samuel

Hotanterahina ny 16 jona izao ny fitsarana an-dRakoto Samuel Doris taorian’ny nihainoan’ny fampanoavana azy tetsy Anosy, omaly. Ara­hin’ny fitsarana maso kosa anefa ny tenany mandra-pahatongan’izany ka afaka nody, araka ny fanapahan-kevitry ny mpanao famotorana.
Nosamborin’ny zandary vao maraina teny an-tranony, eny Andoharanofotsy ity va­din’i Mahery Lanto Manan­dafy (Malama) ity. “Tsy nisy ny fanoherana rehefa naseho azy ny taratasy momba izany. Nentina nohadihadiana ety amin’ny zandary izy, araka ny baiko azonay avy amin’ny fampanoavana ary aterina hatao famotorana aorian’izany”, hoy ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny ady heloka bevava eo anivon’ny zandary eny Fiadanana, ny Lt Kly Ravelomanana Tahina. Anisan’ny anton’izany ny fitarihana hetsika sy fidinana an-dalambe tsy nahazoana alalana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny 31 mey teo.
Efa notanana am-ponja vonjimaika…
Efa nohenoin’ny mpitsara mpanao famotorana, ny herinandro teo, taorian’ny nisamborana azy teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ary efa notanana am-ponja vonjimaika ny mpitarika ny Gasy leo, i Nambinina, ny zoma teo. “Ho hita eo na misy ifandraisany izy ireo”, hoy ihany ny eo anivon’ny zandary.
Tsiahivina fa anisan’ny notakin-dRakoto Doris Sa­muel sy ireo namany ny hanokafana ny kianjan’ny 13 mey, ahafahan’ny rehetra maneho hevitra, manoloana izao fahasahiranam-bahoaka izao.

Synèse R.

Partager sur: