Mananara Avaratra : nahazo birao ny minisiteran’ny Mponina

Tsy very anjara ny distrika any amin’ny faritra Ana­lanjirofo. Anisan’ny nahazo birao ihany koa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponi­na ao amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra. Anisan’ ireo fotodrafitrasa notokanan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry izany, nandritra ny fitsidihany ny tany an-toerana sy tany Maroan­tsetra, ny faran’ny herinandro teo.
Nambaran’ny minisitry ny Mponina, Soafilira Prin­cia fa anisan’ny fotodrafitrasa vaovao manara-penitra manana ny maha izy azy izany. “Natao hanamafisana ireo asa sosialy, handraisana ireo mila torohevitra sy hanomezana fiofanana ary indrindra hoentina manakaiky vahoaka araka ny ezaka efa nimasoan’ny fitondram-panjakana hatraramin’izay”, hoy izy.

Nanampy ny fikambanana sy zokiolona…

Efa maromaro rahateo ireo biraon’ity minisitera ity any anivon’ny distrika sy ny eny amin’ny renivohi-paritra.
Tsiahivina fa vao ny herinandro teo no nanolotra fanohanana sy fanampiana ireo zokiolona sy sojabe ary koa ny fikambanam-behivavy any amin’ny faritra Sofia ny minisitry ny Mponina. Natao hanamaivanana azy ireo manoloana izao fahasahiranana izao sady tafiditra any andraikitr’ity minisitera ity izany ho fiahiana ny sosialin’ny mponina, indrindra ireo marefo.

Synèse R.

Partager sur: