Jiolahy roa lavon’ny balan’ny polisy tao Ambositra, ny alahady alina teo. Ny voalohany, tao Ampany, kaominina ambonivohitr’ Ambositra, tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Nanafika tokantrano iray, kanjo tonga ara-potoana ny polisy rehefa nahazo fampandrenesana avy amin’ny tsara sitrapo. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ity jiolahy ity ka namaly tamin’ny fitaovam-piadiana teny aminy avy hatrany, raha nahatazana ny polisy hisambotra azy. Maty tsy tra-drano izy. Ny faharoa kosa tao amin’ny fokontany Ampivarotanomby Ambositra ihany, tamin’ny 1 ora sy sasany maraina. Nisy nampandre ny polisy momba ny fisiana jiolahy telo mihaodihaody mitondra basy mivezivezy ao amin’ity fokontany ity. Nidina teny an-toerana ny polisy ka raikitra ny fifampitifirana satria namaly tifitra ireo jiolahy. Lavo nandritra ny fifampitifirana ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Mbola hita teny aminy ny basy nampiasainy. Tafaporitsaka kosa ireo namany roa. Naterin’ny polisy ao amin’ny tranompatin’ny hopitalibe Ambositra ny fatin’ireto jiolahy ireto.
Jean Claude




