Nifampitadiavana nanomboka sabotsy 3 jona teo, mitohy ny fikarohan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny sekoly fiofanana ho zandary (EGNA) Ambositra, ny mpianatra ho zandary iray tsy hita. Niaraka tamin’ireo mpiara-mianatra aminy nanao ny hazakazaka 8 km toy ny mahazatra azy ireo izy io faran’ny herinandro io. “Efa fanaony io saingy tsy hita izy rehefa natao ny fanamarinana ireo namany”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny sekoly. Mponina iray eny amin’ny toerana no nahita azy nihazakazaka. Namonjy ny toerana tao Ankofa ilay mpianatra tamin’io fotoana io, raha ny nambaran’ilay nanatri-maso. Nirohotra nijery azy tany ny tomponandraikitra sy ny mpianatra namany. “Satrony hany sisa tazana teo akaikin’ny dobo iray eo amin’io toerana io,” hoy ny kaomandin’ny sekoly.
Nampiasa alika mpitsongodia, nijanona teo amin’io rano io koa ity farany. Niroso tamin’ny fombafomba niarahana amin’ireo tangalamena eo an-tanàna ny tomponandraikitra noho io dobo io hafahafa. Tsy mbola nahitam-bokany anefa izany. Nalahelohelo sy tsy nahitan-teny firy ity tovolahy mpianatra ity, telo andro mialoha izao tsy nahitana azy izao, raha ny angom-baovao.
Tsiferana R.




