Ankadifotsy: jiolahy tratra teo am-pamakiana lakozia

Tsy mifidy intsony ny jiolahy! Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro, teny Anka­difotsy, omaly maraina tamin’ny 9 ora sy 30 mn, ny jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra miharo vaky trano izy. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nihanika tambohon’olona iray eny Ankadifotsy izy. Rehefa tafiditra tao amin’ilay tanàna, nahita varavarankelin-dakozia nisokatra, ka nangalatra fampangotrahana rano. Io no tsikariny voalohany ka tsy nihambahamba izy naka izany. Tazan’ny olona teo amin’ny manodidina izy ka raikitra teo ny fifanenjehana sady niantso polisy ihany ny olona. Tonga ara-potoana ny polisy ka tsy lasa lavitra dia tratra ity mpangalatra ity. Mbola hita teny aminy ilay fitaovana avy nangalariny. Efa naverina tamin’ny tompony ilay fitaovana nangalariny. Nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany any amin’ny biraon’ny polisy izy. Niaiky ny heloka vitany nandritra ny famotorana azy. Nilaza izy fa tsy vao izao no manao hala-boty amin’iny faritra Ankadifotsy iny.

Jean Claude

Partager sur: