Fananantany : karatany 14.400 hozaraina ao Vatomandry

Mbola mitohy amin’ny distrika sy faritra maro manerana ny Nosy ny fizarana karatany. Omaly, nitohy tao amin’ny distrikan’i Vato­mandry ny hetsika. Nosan­tarina tao amin’ny kaominina Sahamatevina ny hetsika. Vokany, karatany 20 amin’ireo 606 anjarany no natolotra. Fantatra tamin’izay fa 14.400 ireo karatany hozaraina ao amin’ny distrika’i Vatomandry, raha 65.000 ny anjaran’ny faritra Atsina­nana. Nitarika ny lanonana tao Sahamatevina ny minisitry ny Asa tànana sy ny haitao, Ratsiraka Sophie, sy ny governoran’ny faritra Atsi­nanana, Rafidison Richard Théodore. Tsiahivina fa ma­hatratra 2.000.000 ireo karatany hozaraina manerana ny Nosy. Betsaka ireo efa nisitraka izany any amin’ireo distrika sy faritra maro samihafa.

Nahaliana ny mponina ihany koa ny hetsika noho izy ahazoana tombontsoa maro ho azy ireo fa indrindra ny taranaka any afara.

Henintsoa H.

Partager sur: