Nivory tetsy amin’ny Kianjan’ny kanto Mahamasina, ireo mpikambana ao anatin’ny Association des tradipraticiens Malagasy (Astrama), omaly. Fotoana nandinihan’izy ireo ny sata mifehy sy fifidianana ny birao vaovao mandrafitra ny fikambanana ary nijerena ny andraikitr’izy ireo eo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Tanjona ny hampahatsiahy ny lalàna sy ny didim-panjakana ary ny soatoavina manan-kery mikasika ny fitsaboana sy ny fanafody nentim-paharazana, raha ny fanazavana.
«Olana eto Madagasikara ny fanaovana doka varotra sy famoahana vaovao tsy ara-dalàna amin’ireo fitaovan-tserasera sy haino vaky jery isan-karazany, mikasika ny fanafody nentim-paharazana», hoy ny filohan’ny sampandraharaha misahana ny fitsaboana netim-paharazana, Ratovoson Andriamihaja. «Misy ny lalàna mifehy ary misy ny sazy mifandraika amin’ny fandikana izany», hoy izy. Ankoatra izay, mbola maro ny mihevitra fa tsy misehatra amin’ny fitsaboana sy fitandroana ny tontolo iainana izy ireo, raha ny fanazavana. Nohamafisiny fa anisan’ny mpitsabo ka mendrika hahazo toromarika amin’ny andraikitra tandrify azy izy ireo mba hitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka.
Takin’izy ireo, noho izany, ny hampidirana ny fanaovana doka varotra mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana, ao anaty sampandraharaha misahana ny heloka ana habaka. Mba hampiharana ny lalàna eo amin’ny olon-drehetra. Mitaky ny fandraisan’andraikitry ny rehetra ihany koa izy ireo mba hitoroka raha mahita tsy fanarahan-dalàna mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana. Ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny fokontany sy ny CSB2 ary ny ben’ny Tanàna mandritra izany.
Mino (mpianatra asa)