Anisan’ny mampihitsoka ny fandrosoana eto Madagasikara ny fahapotehan’ny lalam-
pirenena. Afakomaly, kamiobe mpitatra entana nihitsoka teo amin’ny tetezana, lalam-
pirenena fahadimy tapany voalohany.
Potika ny lalam-pirenena fahadimy tapany voalohany, mampifandray an’i Toamasina sy Ambatohasina, mialoha ny hidirana an’Antaratasy, Pk 35. Fiarabe mpitatitra entam-barotra iray no nihitsoka teo amin’ny tetezam-by nandritra ny ora sivy.
Nilatsaka tamin’ny vy mandrafitra ilay tetezana ny kodiaran’ity fiarabe ity ka nanapaka ny lalana iray manontolo. Fanintelona tamin’ny tranga toy izao ity niseho teo amin’ity tetezana ity saingy mbola mitazam-potsiny ny fahoriam-bahoaka ny sampandraharahan’ny Asa vaventy, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray any an-toerana.
Fantatra fa nihitsoka tao an-toerana hatramin’ny alatsinainy teo ilay kamiaobe mpitatitra entana ka manao antso avo hijerena ny zava-misy ireo tomponandraikitra ao an-toerana.
Nifarimbona
Anisan’ny tafahitsoka teo amin’io toerana io ny manamboninahitra iray ka niantso vonjimaika ny talem-paritra mba handray andraikitra haingana amin’ny trangan-javatra toy izao. Manoloana izany, nifarimbona ny rehetra nanala ilay fiarabe tao an-toerana. Naharitra ora maro ny fanaovana ny asa.
Sajo