“Tokony hisy ny fikaondoham-pirenena. Tsy midika izay hoe fitondrana Tetezamita. Na eo aza ny fifidianana, tokony hisy hatrany ny fikaonandoham-pirenena”, hoy ny filohan’ny fikambanana Fitaizana vatana tomady (Fivato), Radimbielson William. Tsy mila iray volana ny fanatanterahana izany, fa herinandro handaminan-javatra raha manam-piniavana hanavotra ny firenena ny rehetra.
Tokony hojerena ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana, fa mety hiteraka korontana. Raha mbola tsy ferana fa samy hanao izay tiany hatao eo amin’ny fandaniam-bola amin’ny fampielezan-kevitra, na aloha na mandritra ny fampielezan-kevitra: izay be vola no handresy. Rehefa tonga eo amin’ ny fitondrana ny be vola, lasa tsimatimanota izay rehefa namatsy vola nahavoafidy azy, mahatonga ny fanjakana tsy tan-dalàna eto izany.
Tokony halalaka tanteraka ny fanehoan-kevitra
Tsy tokony hisy intsony ny fanakantsakanana amin’ ny famoriam-bahoaka, na ny famoronana lalàna handrarana ny sasany. Mila malalaka ny fanehoan-kevitra amin’ ny haino aman-jery na ankalamanjana. Voalazan’ny lalàmpanorenana sy ny fanambaran’ny ONU izany, ka tsy tokony hisy andinin-dalàna hahazoana manakana izay fanehoan-kevitra izay. Miteraka olana eto amin’ny firenena, ary lasa tafiditra anatina krizy politika izao. Io iaraha-mahita io ny atao hoe krizy politika, fa tsy hoe fipoahan’ny krizy politika. “Efa ao anatiny ny firenena amin’izao fa izy tsy mbola mipoaka fotsiny”, hoy izy.
Anaovana antso avo ny mpisehatra politika na ny tomponandraiki-panjakana mba hijery ny hoavin’ny firenena, ho latsaka anketerena raha izao no mitohy. Efa miseho ny fambara hiteraka korontana mialoha, mandritra na aorian’ny fifidianana. “Tsy tokony hosorohina dieny izao ve izany loza mitatao amin’ny firenena izany sa iandrasana inona?”, hoy izy.
R. Nd.




