Raholinarivo Paolo: “Tsy azo ekena ny Tetezamita”

“Ny fifanarahana tokony hatao eto: tsy ekena intsony ny Tetezamita, na iza na iza mampiditra an’izay eto. Na eo amin’ny fitondrana io, na mpanohitra, na antoko tsotra, na firongon’antoko.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Sendikàn’ny admi­nisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Paolo Solona­valona. Fanambarana nataony manoloana ny fivoizan’ ny sasany fidirana amin’ny Tetezamita, amin’izao ankatoky ny fifidianana izao.

“Fitsipika fototra demokratika ny fanaovana fifidianana, raha vao tapitra fe-potoam-piasana ny olom-boafidy: filohan’ny Repob­lika, depiote, ben’ny Tanà­na. Miadana ny ambanilanitra raha izay no misy eto. Inona no tena anjara toe­ran’ny antoko politika? Mitady olom-banona sy olon- kendry harotsa-kofidina amin’ny fifidianana rehetra, hanasoavana ny firenena. Raha tsy miady fa mahay mifanaraka ny mpanao politika, miadana ny vahoaka”, hoy izy.

Efa voalazan’ny lalàna

Ny tsy fisiana fehezan-dalàna momba ny fifidianana no mampisavoritaka. Ao anatin’io fehezan-dalàna io no tokony hisy ny satan’ny fitsipi-pitondran-tena. Maro ny lalàna momba ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny momba ny antoko politika. Izay voasoratra ao anatin’ireo lalàna ihany no tanisain’ilay satan’ny fi­tsipi-pitondran-tena.
Mizara telo ny fikarakarana fifidianana: inona ny hetsika tokony hataon’ny antoko politika mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana? Ny fipitsika fototra demokratika izay tokony ho fantatra sy harovana: inona ny dikan’ny hoe fifidianana malalaka, mangarahara, ma­rina?

“Misy tsy te hanao fifidianana, rehefa misy mibirioka tsy manaja an’izay fitsipika fototra demokratika izay. Ao anatin’izany ny fifidianana voafetra ara-potoana: manomana sy mikarakara fifidianana, raha vao tapitra ny fe-potoam-piasan’izay nofidina farany. Izay no tokony ho izy. Fa misy mitady hanao fitondrana Tetezamita, hizara toerana, haka bahana… Marobe ny zavatra diso eto, dia ny firenena sy ny vahoaka no mibaby azy”, hoy izy namarana ny resaka.

R. Nd.

Partager sur: