Tanjombato : vehivavy mpivarotra rongony tratra

Noraisim-potsiny ny vehivavy iray mpivarotra zava-mahadomelina teny Tanjom­bato, afakomaly. Naharay fitarainana tamin’ny tsara sitrapo, nanao fanadihadiana ary nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny polisy. Tratra tao Ankady Tanjombato io vehivavy io. Natao ny fisavana, sarona tao aminy ny rongony 275 fonosana. Mahalafo 15 hatramin’ny 20 isan’andro izy, raha ny nambarany. Sandainy 50. 000 Ar ny iray sachet ary tsinjarainy ho fonosana 100. Nogia­zana avokoa ireo entana tao aminy ireo. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka niafara amin’ny fihazonana am-ponja.

Tsiferana R.

Partager sur: