Nahazo fahombiazana avy hatrany ny ekipam-pirenena malagasy. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1, ny ekipan’i Cameroun, nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana “Billie Jean King Cup”, atao any Kigali, ny 5-10 jona izao. Marihina fa fifanintsanana isaky ny ekipa ny “Billie Jean King Cup”. Araka ny voka-dalao, ny alatsinainy teo, lavon-dRanaivo Mialy, tamin’ny seta 2 no ho 0, (6/2, 6/4), i Eloundou Nga, teo amin’ny lalaon’olon-tokana Simple 2.
Niondrika teo anatrehan’i Karine Marion, tamin’ny seta 2 no ho 1, (3/6, 6/3, 7/6) kosa i Andraina Mitia, nandritra ny Simple 1. Nahintsan-dry Ranaivo Narindra sy Voaviandraina Harena, tamin’ny seta 2 no ho 1, (3/6, 6/3, 6/2) ry Karine Marion sy Venus Mirande Hagal, teo amin’ny “Double décisive”.
Marihina fa mbola nihaona tamin’ny ekipam-pirenen’i Lesotho ny ekipam-pirenena malagasy, omaly, saingy mbola andrasana ny voka-dalaon’ny roa tonta. Tsiahivina fa ao anatin’ny vondrona fahefatra (Groupe 4) ny vehivavy malagasy, ary izay tompondaka ihany no miakatra Groupe 3.
Tsara ny mampahafantatra fa hanomanana ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika ny 23 aogositra – 3 septambra, ity fifaninanana ity. Ankoatra ny «Billie Jean King”, hiatrika fiadiana ny ho tompondaka eran-tany amin’ny taranja tenisy, lahy, “Davis Cup”, ihany koa i Madagasikara. Fifanintsanana izay hatao any Kinshasa RDC Congo, ny 19 jona ho avy izao.
Fitia (mpianatra asa)