Toby famaharan’ny Tafika an-dranomasina: lehiben’ny Etamazaoro ny amiraly Tsiriniaina Gabriel

Tontosa, omaly, teo ambany fiahian’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa ny lanonana ara-miaramila telo lehibe izay samy manana ny lanjany, tao amin’ny toby famaharan’ny Tafika an-dranomasina ao Antsiranana…

Notanterahina tao amin’ny toby famaharan’ny Tafika an-dranomasina ao Antsiranana. Lano­nana teo ambany fitarihan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. Anisan’ireo tonga nanotrona izany koa ny masoivohon’i Etazonia miasa sy monina eto Madagasikara, ny Sekreteram-panjakana mia­didy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé. Nanokatra izany ny famindram-pibaikoana teo amin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina vaovao, ny amiraly Tsiriniaina Gabriel sy ny teo aloha, ny amiraly GA Jacquy Honoré. Nanaraka izany ny famindram-pibaikoana teo amin’ny kaomandin’ny 2BIMA (Ba­tail­lon d’infanterie de marine) vaovao, ny capitaine de frigate Ran­drianantenaina Jean Chris­tian sy ny kaomandy teo aloha, ny capitaine de Vais­seau Bera­razana Patricio. Namara­na izany kosa ny fitokanana ny “Maritime Opera­tion Center” na (MOC), sampandraharaha miandraikitra ny fandrindrana hetsika an-dranomasina. Na­siam-panamboarana izany vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Ameri­kana. Ao amin’ity ivontoerana ity no hitobian’ireo angom-baovao rehetra mandritra ireo hetsika sy iraka tanterahin’ny tan-tsambo eny an-dranomasina. Tanjona lehibe kendren’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny fanomezana vokatra tsara kokoa hatrany amin’ny alalan’ireo andraikitra maro sahanin’ny Tafika an-dranomasina ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy sy ny firenena.

Jean Claude

Partager sur: