Nisongadina ny EPP Behenjy, tamin’ny fifaninanana “WikiChallenge 2023”. Nahazo ny vola 5 000 euros hividianana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra ny sekoly. Iarahan’ny Fondation Orange sy ny fikambanana Wiki in Africa mikarakara isan-taona ny fifaninanana. Natokana ho an’ny ankizy 9 ka hatramin’ny 13 taona, mianatra eny anivon’ ireo sekoly efa nametrahan’ ny Orange ny fanabeazana niomerika izany. Manoratra lahatsoratra mitantara ny zava-misy ao aminy sy mampiavaka azy ny mpianatra anatin’ny sekoly mandray anjara. Afaka mikirakira ny fitaovana niomerika izy ireo rehefa manatanteraka ny asa.
Tamin’ity taona ity, 100 ny sekoly nifaninana, avy amin’ny firenena 10 aty Afrika. Ankoatra ny loka goavana azon’ny EPP Behenjy tamin’ny lahatsoratra “Ikopa”, mbola nankasitrahana koa ny sekoly teny Antanety, an’ny SOS Village d’enfants, naneho ny “Tarondro” tamin’ny lahatsoratra novokariny.
I Maroc no faharoa ary i Tunisie no fahatelo tamin’ny fifaninanana. Efa manana sekoly niomerika 240 isika amin’izao fotoana izao, anatin’ny faritra 23. Tanjona ny hanatsara ny fampitana ny fahalalana amin’ny fikirakirana ny fitaovana niomerika any an-dakilasy.
Vonjy