Misaona ny tontolo politika. Nodimandry, omaly, Rasamoelina Lala Hary Naivo. Efa tao anatin’ny tsy fahasalamana ny tenany nandritra ny fotoana maro. Sitrana avy eo saingy izao nindaosin’ny fahafatesana izao.
Filoha mpanorina ny antoko Dina maha olona sy ny demokrasia (DHD) izy rehefa nisintaka tsy teo anivon’ny antoko Arema intsony, tamin’ny fotoan’ androny. Nialoha izany anefa, efa novolavolain’ny antoko AKFM Rasamoelina Hary Naivo. Nirona kokoa amin’ny foto-kevitra tatsinanana, sosialisma. Efa nandranto fianarana tany amin’ny oniversiten’i Kiev, any Ukraine rahateo ny tenany. Mpikambana teo anivon’ny CST, fony Tetezamita.
Tsy maika amin’ny seza
Tanjona napetrany ny hampiharana ny zo maha olona sy ny demokrasia. Ny fijery vaovao, fandaminana vaovao ary ny antoko amin’ny endriny vaovao. Nanteriny fa tsy ny seza no mahamaika fa ny fahefam-bahoaka marina. Ny niantsoany firaisankina hanafahana ny olom-pirenena amin’ny geja sy fahoriana mahazo azy. Tsy ny hifaninana sy ny hanao sakay sy maso no mahavaha ny olana ankehitriny fa ny fifanatonana sy fifandeferana, araka ny nambarany.
Synèse R.




