Miroso hatrany ny fihaonambem-paritry ny FFKM. Nisongadina amin’ny olana eny ifotony, nentin’ireo mpizaika, ny lafiny sosialim-bahoaka eto amin’ny firenena. Eo koa ny resaka politika.
Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny FFKM fa misy ireo olana itovian’ny faritra tsirairay. “Anisan’ny angon-kevitra nisongadina tamin’izany ny momba ny delestazy sy ny tsy fandriampahalemana ary ny fahasahiranan’ny vahoaka eny ifotony amin’ny lafiny rehetra”, hoy ny tompon’andraikitra. Voaresaka koa ny momba ny fifidianana ka ny hijerena ny vahaolana rehetra sy ny hampizotra izany anaty filaminana no tanjona. Eo koa ny fananganana sy fameloma-maso ny rafitry ny Andrimaso FFKM, hian-tsehatra eo amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana. Tafiditra amin’izao fihaonambem-paritra izao koa ny fananganana izany rafitra izany, hatreny anivon’ny fokontany, hiatrehana ny fifidianana. Eo koa anefa ny fandinihana ny fiainana anatiny eo anivon’ny fiangonana efa-tonta.
Hoentina amin’ny fihaonambem-pirenena
“Hangonina avokoa izany hevitra rehetra izany ka haravona amin’ny fihaonambem-pirenena hotarihin’ny FFKM, hatao ny faran’ny aogositra sy ny fiandohan’ny septambra izao”, hoy ihany ny tompon’andraikitra.
Miisa 22 izany izao ireo faritany FFKM efa nahavita sy efa voafaritra mialoha avokoa ny tetiandro, hanatanterahana izany. Mbola andrasana kosa ny daty ho an’ireo faritany 16, tokony hiroso amin’izany ato ho ato, araka ny nambarany hatrany.
Tsiahivina fa tohin’ny fihaonambe voalohany, natao teny Ilafy, ny faran’ny volana marsa teo izao dingana tanterahin’ny FFKM izao.
Synèse R.
Efa nahavita ny fihaonambem-paritra ny tany Anosibe An’ala. Nitohy tany Ambositra izany ny fiandohan’ny
volana jona teo. Anjaran’ny any Amparafaravola sy Antsirabe ny amin’ny herinandro. Hitohy any Mahajanga sy Sava ary Atsimondrano, hatrany Ihosy sy Antsohihy izany, aorian’ireo. Ny herinandron’ny 19 jona ny any Vangaindrano sy Fianarantsoa ary Ambohidratrimo, miaraka amin’ny Ambatondrazaka sy i Toamasina. Any amin’ny faran’ny volana jona kosa ny any Mahanoro, Mitsinjo, Taolagnaro sy ny eto Antananarivo Renivohitra. Hotanterahana ny fiandohan’ny volana jolay kosa ny any Vondrozo sy Avaradrano.




