Fihaonana an-tampony any Bruxelles: solontenan’ny vehivavy mpitarika politika i Masy Goulamaly

Anisan’ireo miatrika ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo vehivavy mpitarika politika “Women Political- WPL”, tanterahina any Bruxelles, Belzika ny depiote Masy Gou­lamaly. Haharitra roa andro izany fivorian’ny solontenan’ny vehivavy avy amin’ny firenena maro samihafa izany. Anisan’ ny hodinihina ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy sy ny tsy fandriampahalemana. Eo koa ny fandinihana ny tsy fahafahan’ny vehivavy mandray andraikitra eo anivon’ny firenena.
Hiarahana amin’ireo parlemanta eoropeanina ny ampahany amin’izany fivoriana izany fa eo koa ny iarahana amin’ireo parlemanta federalin’i Belzika.
Nialoha izany, nihaona ma­nokana amin’ny ambasadaoron’i Madagasikara any amin’ity firenena ity sady eo anivon’ny Vondrona eoropeanina (UE), i Beriziky Omer, ny depiote Masy Goulamaly.
Tsiahivina fa feno 10 taona izao ny WPL ary masoivohon’izany eto Madagasikara ny depioten’i Tsihombe, tao anatin’ny fito taona izao. Nifam­pitafatafa tamin’ireo mpanao gazety, tao Paris Frantsa, ny solombavambahoaka Masy Goulamaly, nialoha izao diany any Bruxelles izao. Anisan’ny navoitrany tamin’izany ny va­haolana azo refesina sy tsapain-tanana, ary maharitra hahazoan’ny firenena tombony lehibe. “Tsy manam-pahavalo afa-tsy ny mosary sy ny kere ary ny fahantrana aho”, hoy hatrany izy.

Synèse R.

Partager sur: