“Manao izao fanairana izao ny fikambanana mba hamoahan’ny Ceni ny tetiandro vaovao mazava indray mandeha momba ny dingana tsy maintsy mbola hatrehina mandra-pivoahan’ny lisitra farany.” Io ny fanambarana hoe “Ampahafantaro ny mpisehatra rehetra ny dingana manaraka amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana sy ny tetiandrom-pifidianana”, nampitain’ny birao nasionalin’ny KMF/Cnoe-Fanabeazana olom-pirenena, omaly, momba ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izay tokony hifarana ary hivoaka amin’ny 10 jona ho avy izao.
Raha ny voafaritry ny didim-panjakana lah. 2022-667, tamin’ny 11 mey 2022, niaingana momba ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy eto Madagasikara: hivoaka ny 10 jona ho avy izao ny lisi-pifidianana raikitra, izay manan-kery manomboka ny 10 jona 2023 ka hatramin’ny 15 mey 2024.
“Efa nahatsapa anefa izahay KMF/Cnoe-Fanabeazana olom-pirenena fa ho sarotra ny hanatrarana io datin’ny 10 jona io, raha ny vokatry ny fanaraha-maso nataonay no jerena”, hoy ny fanambarana. Fantatra izao fa mihamiitatra izany ary tsy hita farany. Heverina hiteraka ahiahy amin’ny olom-pirenena sy ny antoko politika ary ny mpisehatra maro izany, raha ny fijerin-dry zareo.
Mbola hiverina any amin’ny fokontany hatao fanaraha-maso ve ireo olona vao misoratra anarana? Hisokatra mandra-pahoviana ny tena faran’ny fisoratana anarana? Mitondra fitoniana sy fahatokisana ho an’ny rehetra ny fahafantarana mazava ireo dingana harahina ireo no sady zo.
Mampahatsiahy hatrany an’ ireo tomponandraikitra mahefa ihany koa ny KMF/Cnoe momba ny famoahana ofisialy ny tetiandrom-pifidianana mba hahitana taratra ny fahavononan’izy ireo amin’izay fifidianana izay.
R. Nd.




