Miadana Fabien Privat : “Tratra aoriana raha izao vao hanitsy lalàm-pifidianana”

Hatramin’izao, mbola adihevitra politika etsy sy eroa ny amin’ny fanitsiana na fanovana lalàm-pifidianana. Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Raha tazonina ny datim-pidianana naroson’ny Ceni, tratra aoriana ihany raha izao vao hanitsy lalàm-pifidianana.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy?

Miadana Fabien Pri­vat (-): Raha ny isan’ny voasoratra anarana, lavitra ny tamin’ny 2018. Nilaza ny Ceni fa mbola hisy fanadiovana. Aorian’izay vao fantatra hoe: firy marina no voasoratra amin’ny lisi-pifidianana? Maro ary eken-dry zareo ny fahadisoana tamin’ny fandraketana anarana amin’ny ordinatera. Ho hita eo ny ezaka amin’ny fanarenana, fa maromaro ireo nitaraina amin’ny fahadisoana na tsy tafiditra ny anarany na manana ny takelaka fisoratana anarana aza. Voalazan’ny lalàna fa misy fitarainana azo atao, any no hahazoan’ny olona manao ny fanitsiana.
Efa manao ezaka ny misoratra anarana sy manao fanamarinana ny mpifidy. Anjaran’ny Ceni amin’izay ny mameno ny fepetra rehetra hahazoan’izy ireo mifidy, fa tsy voasazy tsy hahazo mifidy nefa tsy avy aminy intsony ny fahadisoana amin’izany. Zara raha mandefa fanentanana ny amin’izay tontolon’ny fifidianana izay ny haino aman-jerim-panjakana. Tsy hita taratra amin’izao fifidianana izao, ohatra, ny fanentanana be toy ny tamin’ny ady tamin’ny valanaretina covid-19. Nefa raharaham-pirenena io, iankinan-javatra maro.

* Ilaina ve ny sata fitsipi-pitondran-tenan’ny antoko politika amin’izao ankatoky ny fifidianana izao?

– Efa nisy io tamin’ny fifidianana 2018, ary tonga tany amin’ny fifidianana depiote. Maro amin’ireo depiote voafidy no nanao sonia, nefa azo lazaina hoe tsy nisy nanaja izany. Ny lalàna manan-kery aza, tsy vita ny mampihatra azy eto amin’ny firenena. Vao mainka fa ny lafiny moraly… Tsy misy lanjany araka ny lalàna ny sata fitsipi-pitondran-tena. Rehefa manaja lalàna, tokony hanaja avy hatrany ny lafiny moraly.
Ny fijery sy ny hevitra namolavolan-dry zareo firaisamonina sivily azy: tsy fantatra raha nisy ny tomban’ezaka tamin’izay natao tamin’ny 2018. Nisy vokatra ve izay matoa mazoto hanao amin’izao ry zareo? Raha ny tamin’ny 2018, tsy nisy nanaja… Satria tsy misy azo atao amin’ny tsy fanajana azy: tsy misy sazy. Tsy maninona raha tsy hajaina ilay izy, tsy manova inona… Na ny ao anatin’ny lalàna aza, matetika tsy asiana sazy. Izay no tokony hiadiana: ahoana no hampisy sazy ao anatin’ny lalàna, ka hahazoan’ny rafitra mpikarakara fifidianana sy ny mpitsara manasazy? Eo koa ny rafitra mpanara-maso ny antoko sy ny fampielezan-kevitra.

* Mila hahitsy ve ny lalàm-pifidianana?

– Mila hahitsy io… Saingy raha tazonina ny datim-pidianana naroson’ny Ceni, tratra aoriana ihany raha izao fa hanitsy lalàm-pifidianana. Tokony ho hoe raha vao vita ny fifidianana, eo no manao tombana ny fifidianana vita; avy eo, manatsara ny lalàna. Tsy mialoha ny fifidianana no hanatsarana ny lalàm-pifidianana, toy hoe mitady hevitra hanemorana ny fifidianana ve, sanatria, na hahazoana tombondahiny na hanaovana azy hifanaraka amin’ny tena? Satria efa fantapantatra avokoa amin’izao izay hirotsa-kofidina amin’izao. Sanatria hoe misy mampatahotra ny mpifaninana dia hanao lalàna mety hamely ny sasany ve?

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: