“Aoka tsy hisy ny adihevitra diso hoe mpanao politika no kendrena. Fitsarana tsy mitanila sy mahaleo tena no misy ankehitriny, ary miezaka mitsara ara-drariny. Tsy misy fitsarana ho an’ny manan-katao na tsia, na hoe natao hanenjika mpanao politika ihany.” Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana.
Miezaka mitsara araka ny lalàna sy araka ny rariny ny fitsarana. Koa na iza na iza, rehefa voaporofo ny fitsarana toe-draharaha iray: manaja lalàna sa tsia? Tsy hijerena tavan’olona koa ny fanenjehan’ny fitsarana. Aoka tsy hanaovana adihevitra diso hoe mampalahelo, na vehivavy, na reny… Tsy any ny resaka. Mitovy ny rehetra, izay misy lalàna natao ho an’ny tsirairay avy.
Fanjakana tan-dalàna ny eto. Tsy misy io hoe “Doris” na tsia, fa enjehin’ny fitsarana ireo rehetra tsy manaja lalàna. Nisy ny famoriam-bahoaka nokasainy hatao, tsy nahazoana alalana. Misy lalàna mifehy izany ka nampiantsoana azy teo anatrehan’ny fampanoavana mba hanazava ny momba izay.
“Na iza na iza tsy manaja lalàna: natao hanazava izany eo anatrehan’ny fitsarana”, hoy izy.
R. Nd.




