Mandodona mafy ny fitondram-panjakana ny avy etsy Bel Air. Nanambara ny sekretera jeneralin’ny antoko Tim, Randriamasinoro Rina, omaly, fa efa fotoana izao hamoahana ny tetiandrom-pifidianana. “Avoahy izany raha tena manana fahavononana tokoa ianareo… Takinay ny hamoahana ny “décret” sy ny tetiandro momba izany, hiomanan’ny vahoaka sy ireo kandidà”, hoy izy. Nohitsiny fa efa maro ireo olona miantso ny hirotsahan’ny mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc, hofidina. Teo koa ny efa nanambaran’ny antoko fa tsy maintsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana. “Terena hanoratra ny anarany anaty lisitra ny olona kanefa ny fiantsoana ny mpifidy tsy mbola navoaka hatramin’izao”, hoy ihany izy.
Tsipaipaika ho an’i Ninie Donia
Etsy andaniny, nanome fanampiana, voatsirambin’ny tanana ho an’i Ninie Donia ny vehivavy Tim Analamanga. Nalefa amin’ny alalanan’ny “Mobile money” izany vola 300 000 Ar voaangona izany. “Anjaran’ny filohan’ny vehivavy Tim any Nosy Be, Marie Anne, indray ny mitondra izany ho an’ity mpikatroka Tim, any am-ponja ity”, hoy ny filohan’ny vehivavy Tim, Analamanga, Arphine Rahelisoa, omaly. Notanterahina ny 20 mey lasa teo ny hetsika ho fitadiavam-bola nataon’izy ireo, tetsy Tsiadana. Hoentina miasa sady ho fanomanana koa ny kongresy nasionalin’ny antoko, hatao ny 1 jolay ho avy izao. Nanaovana tsipaipaika manokana tamin’izany izao fanampiana an’i Ninie Donia izao. “Migadra tsy ara-drariny noho ny resaka politika izy. Tsy hijanona eo fa mbola hitohy izao tolo-tanana ho azy izao”, hoy izy.
Synèse R.




